<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>G.F. Root</author>
<title>Mihira, ry mponina ao an-danitra FFPM453</title>
<lyrics>[V1]
 Mihirà, ry mponina ao
 an-danitra
 Tonga izao ny very fahizay,
 Fa ny Rainy faly sy finaritra
 Mba handray ny zanany indray
 Mihobia, re, ry lanitra,
 Ka derao Andriamanitra.
 Eny, mihobia re , ry mino ô,
 Ka hirao ny fihiram-baovao !

[V2]
 Mihirà, ry mponina ao
 an-danitra
 Fa ilay very dia hita izao,
 Voaray ho Zanak'
 Andriamanitra,
 Efa tonga olona vaovao.
 Mihobia, re, ..sns.

[V3]
 Mihirà, ry mponina ao
 an-danitra
 Lehibe ny fifalianay,
 Ka derao izao Andriamanitra,
 Fa ny maty velona indray !
 Mihobia, re, ..sns.</lyrics>
<hymn_number>453</hymn_number>
</song>